samedi 1 novembre 2014

Andrana henabaolina sinoa (boulettes chinoises)

Salama tompoko

Isany zavatra niriako atao efa ela ny henabaolina sinoa na boulettes chinoises fa androany moa vao tena nanandrana.


 Ny zavatra ilaina:

  • Totokena
  • Lafarinina (mitovy lanja amin'ny totokena)
  • Sira
  • Poivre
  • Kotomila
  • Tongolo lay
  • Tongolo be
 Ny fikarakarana azy:

Voasana ny tongolo dia tetehina majinika.Alefa ao anaty mixer ny fangaro rehetra ankoatra ny lafarinina dia potehina (mixer-na) Rehefa izay dia alefa ny lafarinina. Mampangotraka rano (ny ahy nasiako sakamalao mba aha-manimanitra azy) Rehefa mangotraka ny rano dia volavolaina amin'ny sotro ilay fangaro mba hanome boribory araka izay refiny mety amin'ny tsirairay. Alatsaka ao anaty rano mangotraka dia avela ho masaka. Mitsingevana izy rehefa masaka. Rehefa vita izay dia izay tiana na hendasina amin'izao na manao saosy voatabia (voatabia, tongolo, persil) Ny ahy moa teto natao laoka dia ilay saosy voatabia no mety kokoa.

Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

samedi 4 octobre 2014

Goûter#004: flan mora atao

Salama tompoko

Handrana voalohany ity tamin'ny fanaovana flan. Nitady ny fomba faran'ny tsotra tamin'ny internet satria izay angamba no mety hoan'ireo vao manomboka. Faly ery fa nety ity handrana voalohany ity. Ny hendriny aloha tsy tonga lafatra e fa ny tsirony no tena nahafapo.

Ny zavatra ilaina (hoana olona 6)
  • Atody 4
  • Siramamy 75gr
  • Lafarinina 100g
  • Dibera 40g
  • Ronono 1/2l.
Ny fikarakarana azy

Hafanaina ny lafaoro (200°C). Epoina anaty vilany ny dibera. Maka vilia jobo dia kapohana miaraka ao ny siramamy sy atody. Rehefa mitambatra tsara sady somary levona ny siramamy dia arotsaka ny dibera sy ny lafarinina. Arotsaka koa ny ronono dia afangaro tsara ireo rehetra ireo.Osorana dibera ny lasitra (moule) dia araraka ao ilay fangaro efa vita tetsy ambony. Alefa anaty lafaoro mandritra ny 45min. Afaka aroso rehefa tsy mamay be intsony.

Mafilotra izy ity raha ohanina eo no eo nefa azo tehirizina koa hoan'ny sakafo maraina na ny goûter entina mianatra ny ampitso.




Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

mercredi 1 octobre 2014

Salady tsotra, sakafo maivana

Salama tompoko,

Kamokamo mivoaka miantsena aho rehefa alatsinainy. Io andro io koa matetika no tsara hihinanana zavatra maivamaivana mba hifandanja amin'ny sakafo ben'ny alahady. Ny alahady moa matetika andron'ny fihaonana amin'ny fianakaviana izay feno sakafo mafilotra. Izany antony rehetra izany no nahatonga ahy hanao ity salady ity. Ny zavatra nanaovana azy rehetra dia ilay antsoina hoe "fond de frigo" Tsy inona izany fa ny atody sy ny legioma. Asa ianareo fa izaho dia mividy legioma sy atody betsaka foana satria maro ny zavatra azo atao amin'izy ireny rehefa maika. Sady maharitra ny fitehirizana azy.

Ny zavatra ilaina:

  • Atody
  • Karaoty
  • Anandrano
  • Haricot vert
  • Voatabia
  • Tongolo be
  • Menaka
  • Vinaigitra
  • Sira
  • Dipoavatra

Ny fomba hikarakarana azy:

  • Sasàna madio ny legioma rehetra. Momba ny anandrano izay ambolena amin'ny toerana maloto tokoa eto Antananarivo dia tsara angamba ny manafatra anandrano an-tanety (eny, misy izany) amin'ny mpamboly azy. Na izany na tsy izany, mila alona sur'eau adiny iray farafahakeliny ny anandrano satria hanina manta. Raha tsy matinao lolo dia aza asiana anandrano mihintsy. 
  • Mampangotraka rano dia alefa ao ny haricot vert sy ny karaoty voavaofy sy voatetika. Avela kely ho masamasaka saingy tsy atao malemy be. 
  • Mandritra izay dia manao vinaigrette izay mila alona elaela mba ho "masaka" ny tongolo.
  • Andrahoina ho masaka koa ny atody.
  • Samy afaka manao izay "présentation" mety aminy ny tsirairay. Ny ahy teto nasiana vinaigrette ny legioma rehetra dia notetehina mizara efatra ny atody, natao fisaka ny voatabia dia napetrapetraka hanome hendrika tsotsotra azy teo.


Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

lundi 29 septembre 2014

Goûter#003: Ovy endasina amin'ny fomba hafakely

Salama tompoko,

Asa ny anareo fa ho ahy dia ady sy tolona ny fitadiavana goûter hoan'ny ankizy. Tia zavatra miovaova izy ireo ka mila mamorona foana mba hanaitra azy. Ny biscuits sns hita eny antsena moa amin'izao fotoana izao efa tsy hay intsony izay akora simika ao anatiny ka aleo manao goûter vita ato an-trano. Androany ary dia ovy no nokarakaraina. Efa mahazatra azy ireo ny frite ka ity fomba iray zaraiko aminareo ity indray no nandramana.

Zavatra ilaina:

  • Ovy araka izay habetsany mety aminao
  • Lafarinina kely
  • Sira
  • Menaka
  • Mayonnaise na ketchup

Ny fomba fikarakarana azy:

Sasàna hadio ny ovy dia voasana. Averina sasana dia kikisana toy ireny mikiki karaoty atao lasary ireny. Teto dia tamin'ilay lavaka lehibebe no nikikisana azy. Rehefa izay dia asiana lafarinina kely mba hampitambatra azy. Asiana sira ihany koa. Mila mifangaro tsara ireo rehetra ireo. Rehefa izay dia hafanaina anaty lapoaly ny menaka. Alaina amin'ny sotro ilay fangaro natao teo ka apetrapetraka ao anaty menaka. Atao boribory na izay hendriny itiavanao azy fa aleo fisaka amin'izay masaka tsara ny ao anatiny. Handrasana ho mendy toy ireny frite ireny dia vita.Aroso miaraka amina mayonnaise na ketchup. Tena tian'ny ankizy ilay izy ary nankafizin'ny lehibe ihany koa.



Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

samedi 27 septembre 2014

Goûter#002: Mangahazo maina

Salama tompoko,

Sakafo tena malagasy no hozaraiko aminareo androany. Tsy inona izany fa ny mangahazo maina. Ny olona mampiasa vatana be no tena mpihinana azy ity matetika satria mateza an-kibo. Na izany aza, tsy manakana ny hafa tsy hihinana azy akory izany. Mila mitandrina fotsiny amin'ny fatrany satria saro-devonina izy ity ka mahamasina aty raha be loatra. Ny mangahazo maina andrahoina amin'ny vilany gasy sy afo kitay hono no tena matsiro. Satria moa tsy manana kitay aho dia gaz no nandrahoana azy. Ary mba hitsitsiana ny angovo dia nampiasa cocotte minute ihany koa. Fa alohan'ny hanidina azy ao anaty vilany sy handrahoana azy dia mila fikarakarana kely ny mangahazo maina.

Mangahazo maina araka izay isany mety aminao ary no alaina. Tetehina dia alona rano mandritra ny alina sy ny maraina tontolo. Atao difotra tsara. Rehefa izay dia alefa ao anaty vilany ka asiana rano mandifotra azy. Tsy mbola hidina aloha ny cocote minute fa handrasana hangotraka dia ariana iny ranony voalohany iny. Soloina ny rano, atao be rano. Hidina amin'izay ny vilany. Rehefa manomboka misioka ilay sopape amin'ny sarom-bilàny dia ahena ny afo ka avela hiketrika eo ny mangahazo maina. Rehefa afaka adiny iray any dia afaka sokafana ny vilany hijerena ny leminy. Raha toa mbola misy fotsy ny atiny dia mbola manta izay. Rehefa volo-tany (marron) ny nofon'ny mangahazo maina vao masaka. Somary miforetaka izy rehefa masaka ka izay no mahatsara ilay rano be (mba tsy hiraikitra ny ao ambany) Tsy dia misy fikarakarana manokana fa asiana siramamy dia aroso ny mpianakavy.


Mahalala mangahazo maina ve ianao? Efa nihinana? Tia ve?

Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

mercredi 17 septembre 2014

Goûter#001: cake natao tamin'ny lasitra gasy

Salama tompoko

Ireny lasitra gasy, vita amin'ny fanitso ireny foana no nanaovan'i Neninay mofomamy taloha. Taty aoriana aho vao nahita lasitra vita "vazaha" tsara hedrika be izy ireny ka vao mivoaka ny lafaoro dia henon'ny maso ny tsiron'ny sakafo ao anatiny. Androany dia niverina amin'ny lasitra gasy aho. Asa hoe nahoana? Lasitra cake no novidiana 2.000ar saingy tsy tena cake no tiana natao fa madeleine satria io no tena malemy mety hoan'ny ankizy. Ny madeleine anefa kely loatra fa ny cake mba azo tetehina araka izay ampy ny zaza ataony goûter any am-pianarana. Na dia tia misakafo aza aho (ary lasa tia manao lakozia koa nohon'ny fitiavan'ny vadiko manao lakozia) dia tsy manana mizana handanjana akora fa dia mbola anjoanjo aloha hatreto. Na izany aza miezaka manaraka ireo lanja voalazan'ny recette mba hampivoaka tsara ny sakafo. Toy izao ary ny nanaovana ity madeleine mihendrika cake ity.

Ny zavatra ilaina

  • Lafarinina 200gr
  • Dibera 100gr
  • Ronono 50gr (iray kaopy kelikely)
  • Siramamy (izay mahamamy azy)
  • Atody 3
  • Levure 10gr 
Ny fikarakarana azy


Atsonika anaty vilany ny dibera ka eo ambony afo malefaka no hanaovana azy mba tsy ho may. Rehefa mitsonika dia vonoina ny afo. Afangaro anaty vilia jobo ny atody sy ny siramamy dia kapohina mandra-pahafotsy azy. Arotsaka ao ny ronono 40gr. Raha te hampiasa hanitra toy ny lavanila na fleur d'oranger ianao dia eto no hanampiana azy ka kely ihany dia ampy. Afangaro tsara ireo rehetra ireo dia arotsaka ny lafarinina, ny levure, ny dibera ary ny ambina ronono. Rehefa mifangaro tsara dia avelao hipetraka mandritra ny fahefakadiny.

Mila osorana dibera ny lasitra alohan'ny handrarahana ilay fangaro amin'izay tsy miraikitra rehefa esorina. Hafanao 240° ny lafaoro dia alefao ao ilay lasitra. Aza sokafana foana ny lafaoro mba tsy hivoaka ny hafanàna. Rehefa afaka 5 minitra dia ampidino 200° ny hafanana ary avelao ho masaka ao mandritra ny 10min. Mila jerena raha masaka tsara ny ao anatiny. Mba ahalalàna izay dia tsatoy antsy ny mofomamy. Esory ilay antsy ka raha tsy misy manaraka intsony fa madio tsara dia masaka izy izay. Raha tianao ho menamena kokoa ny mofomamy dia afaka avela elaela kokoa ao anaty lafaoro.


Dia vita sahady ny mofomamitsika natao tamin'ny lasitra gasy.




Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

mardi 9 septembre 2014

Mamy ny vary gasy

Salama tompoko

Asa ianareo raha efa nahatsikaritra fa mamy ny vary gasy. Rehefa atao sosoa izy no heno fa mamy. Maro ny Malagasy no mihinana vary gasy atao sosoa amin'izao satria malemy izy raha oharina amin'ny vary hafa ary ilay ranony marihitra tsara. Tsy ratsy koa ny vary gasy atao maina. Ho ahy manokana dia sady mifono "sentiment" ny fihinana vary gasy satria vary avy any ambanivohitra izy ity. Rehefa alatsinainy iny dia tsaroan'ny vava ny hamamin'ny vary gasy. Laoka tsotsotra no atao mba ho valin'ny laoka ritra sy matsiro izay hanina matetika rehefa alahady. Izay no nahatonga ity laoka tsotra nefa matsiro ity.

Tamin'ity indray mitoraka ity ary dia ron'ovy sy kitoza nendasina no nilaofana ny vary gasy maina.

Ny zavatra ilaina:
  • Nofoken'omby
  • Ovy
  • Tongolo be
  • Voatabia
  • Sakamalao
  • Sira
  • Menaka kely

Ny fikarakarana ny kitoza

Mba hampalemy azy dia asiana sira mialoha ny nofoken'omby efa voatetika ka avela hilona ao anaty vata fampangatsiahana. Ny hariva no karakaraina hoan'ny laoka ampitso atoandro. Rehefa tonga ny ora hanendasana azy dia endasina tsotra amin'ny menaka kely izy dia vita.

Ny fikarakarana ny ron'ovy

Voasana ny ovy madio tsara dia tetehina araka izay itiavana azy. Afanaina anaty vilany ny menaka kely, alefa ao ny tongolo voatetika sy sakamalao somary nototoina mba hamoaka ny hanitra. Natao betsaka ny sakamalao satria izay no tian'ny ato an-trano fa afaka atao kelikely koa raha izay no mety aminao. Rehefa somary mahazo loko ny tongolo dia arotsaka ny voatabia kely. Aroana tsara ka rehefa levona ny voatabia dia arotsaka ny ovy. Asiana rano mandifotra azy dia avela ho masaka. Mora masaka ihany moa ny ovy.



Izay dia vita ity sakafo malagasy tsotsotra ity. Tena mampody aina tokoa ka tian'ny mpianakavy.

Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

lundi 8 septembre 2014

Laoka#002: Ravim-bomanga sy patsabe

Salama tompoko

Maro ny olona tsy tia ravim-bomanga. Izaho koa tsy tia taloha fa ny antony dia satria masaka loatra izy tamin'izany ka lasa maditidity. Amin'izao efa tsy atao masaka be dia mivoaka tsara ny tsirony. Mba  ampatsiro azy miohatra amin'ny mahazatra dia nasiako patsabe izy tamin'ity indray mitoraka ity.

Ny zavatra ilaina:

  • Ravim-bomanga
  • Patsabe maina
  • Tongolo be
  • Tongolo lay
  • Voatabia
  • Menaka

Ny fikarakarana azy:

Alona rano ny patsabe maina. (Tsy hoe natokana hoan'ny hazan-drano maina akory ity blog ity na dia efa resaka amalona maina aza no noresahana teo aloha. Kisendrasendra ihany izany.)  Bref, alona rano ny patsabe satria be sira izy ity. Asa raha mitovy ny tsirony raha patsabe lena no ampiasaina fa afaka soloina patsabe lena raha tsy mahita maina ianao. Tena tsara koa ny ravim-bomanga sy patsamena raha tsy tianao ny patsabe. Rehefa afaka tsara ny sira dia ariana ny rano. Tetehina ny tongolo sy voatabia dia mamana menaka kely ao anaty vilany. Arotsaka aloha ny tongolo be sy ny tongolo lay mba hamoaka tsara ny hanitra. Rehefa mifitsaka ny tongolo be dia arotsaka ny voatabia. Esory ny hodiny sy voany raha izay no mahazatra anao. Rehefa levona ny voatabia dia arotsaka ny patsabe. Aroroana mandra-paha mendimendy azy. Arotsaka farany ny ravim-bomanga dia asiana rano kely. Ho ahy manokana dia aleoko ketsaketsa ity laoka ity nefa raha ro mazava moa no tiana dia afaka atao betsaka manaraka izay ny rano. Rehefa mangotraka dia aroana tsara ary avela hitanika kely (5 na 10min eo ho eo) dia ampidinina. Tsy saromana ny vilany mba tsy ho masaka loatra ny ravim-bomanga. Tokony ho ampy ny sira na tsy manampy aza satria somary misimisy sira ihany ny patsabe. Nefa raha matsatso dia afaka ampiana kely. Vary maina fotsy no nohanina niaraka taminy. Handramo fa tena mora atao nefa mafilotra ery.



Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

Sakafo malagasy tsotsotra

Salama tompoko

Faly aho androany mamorona ity blog faharoa ity. Faharoa hoy aho satria ny blog Izay Tia Maquillage no voalohany. Toy ny olombelona rehetra dia tia misakafo aho ary tiako zaraina eto izany sakafo izany. Sakafo malagasy tsotsotra no ankamaroan'ny alefako eto satria izay no tena fihinako. Nefa tsy atao manakana ny fizarana sakafo hafa fiaviana angamba izany. Tsy mpanao lakozia aho akory fa olo-tsotra te hizara fotsiny. Manantena aho fa ho maro haka-fy ity blog ity.

Mandra-piresaka tompoko

Laoka#001: Amalona maina atao ketsaketsa

Salama tompoko

Maro be ny olona tsy tia trondro maina. Maro koa anefa no makafy kaisan'ireny aho. Tsy dia misy karazana trondro maina tiako manokana fa rehefa be nofo izy dia tiako. Tamin'ity indray mitoraka ity dia amalona maina no nandrahoina. Tena malaza tsara ny amalona ary isany makafy azy aho raha izy ilay vao avy nojonoina iny no ketrehina. Tany Foulpointe aho no nihinana amalona lena farany. Tsy dia mahita aho eto Antananarivo ka faly ery nanandrana ny amalona maina. Mora atao sady mafilotra izy ity.

Ny zavatra ilaina:

  • Amalona
  • Tongolo be
  • Voatabia
  • Tongolo maitso
  • Menaka kely

Ny fomba fikarakarana azy:

Alona rano ela ny amalona satria be sira be izy rehefa maina. Izany hoe mila alona ny alina sy ny maraina tontolo izay vao karakaraina. Rehefa afaka tsara ny sira dia esorina ao anaty rano dia avela hitsiaka aloha. Mandritra izay dia tetehina ny tongolo be, ny voatabia ary ny tongolo maitso. Hafanaina anaty vilany ny menaka (tsy atao be loatra satria ny amalona matetika matavy sy mitera-menaka ka sao mahamonamonaina raha be loatra ny menaka) Ny tongolo be no alefa mialoha rehefa mafana ny menaka. Aroroana mba tsy ho may ka rehefa mifitsaka dia alefa ny voatabia. Afaka esorina ny voany sy ny hodiny raha izay no mahazatra anao. Rehefa levona tsara ny voatabia vao alefa ny amalona. Tsy asiana sira intsony. Tapohana rano dia avela hiketrika tsara. Hajanona ny afo rehefa mifanaraka amin'izay tiana ny halemin'ny amalona sy ny habetsaky ny rano. Misy mantsy tia azy atao ro, misy kosa tia azy ketsaketsa. Arotsaka ny tongolo maitso dia saromana ao anaty hafanana ao fa tsy atao ambony afo intsony. Mampisy hanitra tsara ny nahandro io. Raha atao masaka loatra mantsy ny zava-maitso dia tsy mitàna ny hanitra entiny. Vary maina fotsy no nohanina niaraka taminy teto.



Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko