lundi 29 septembre 2014

Goûter#003: Ovy endasina amin'ny fomba hafakely

Salama tompoko,

Asa ny anareo fa ho ahy dia ady sy tolona ny fitadiavana goûter hoan'ny ankizy. Tia zavatra miovaova izy ireo ka mila mamorona foana mba hanaitra azy. Ny biscuits sns hita eny antsena moa amin'izao fotoana izao efa tsy hay intsony izay akora simika ao anatiny ka aleo manao goûter vita ato an-trano. Androany ary dia ovy no nokarakaraina. Efa mahazatra azy ireo ny frite ka ity fomba iray zaraiko aminareo ity indray no nandramana.

Zavatra ilaina:

  • Ovy araka izay habetsany mety aminao
  • Lafarinina kely
  • Sira
  • Menaka
  • Mayonnaise na ketchup

Ny fomba fikarakarana azy:

Sasàna hadio ny ovy dia voasana. Averina sasana dia kikisana toy ireny mikiki karaoty atao lasary ireny. Teto dia tamin'ilay lavaka lehibebe no nikikisana azy. Rehefa izay dia asiana lafarinina kely mba hampitambatra azy. Asiana sira ihany koa. Mila mifangaro tsara ireo rehetra ireo. Rehefa izay dia hafanaina anaty lapoaly ny menaka. Alaina amin'ny sotro ilay fangaro natao teo ka apetrapetraka ao anaty menaka. Atao boribory na izay hendriny itiavanao azy fa aleo fisaka amin'izay masaka tsara ny ao anatiny. Handrasana ho mendy toy ireny frite ireny dia vita.Aroso miaraka amina mayonnaise na ketchup. Tena tian'ny ankizy ilay izy ary nankafizin'ny lehibe ihany koa.



Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

4 commentaires:

  1. Mofo ovy izany! Mbola tsy nohaniko indray io

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. izaho koa tamin'io vao nihinana hihi ny tsirony frites ihany fa ilay hendriny hafa kely dia faly ery ny kilonga

      Supprimer
  2. Toa ho tsara koa ty raha soya sauce no ihinana azy, eny mofo ovy ihany izy io,fa lay izy rapena amin masony lebenfa tsy potsehina mampiavaka azy,raha rapena amin ilay masony kely izy mety hozary balaboay. Nareo ve mba tia balaboay???��

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Inona izany balaboay? tena androany aho vao naheno

      Supprimer