lundi 8 septembre 2014

Laoka#002: Ravim-bomanga sy patsabe

Salama tompoko

Maro ny olona tsy tia ravim-bomanga. Izaho koa tsy tia taloha fa ny antony dia satria masaka loatra izy tamin'izany ka lasa maditidity. Amin'izao efa tsy atao masaka be dia mivoaka tsara ny tsirony. Mba  ampatsiro azy miohatra amin'ny mahazatra dia nasiako patsabe izy tamin'ity indray mitoraka ity.

Ny zavatra ilaina:

  • Ravim-bomanga
  • Patsabe maina
  • Tongolo be
  • Tongolo lay
  • Voatabia
  • Menaka

Ny fikarakarana azy:

Alona rano ny patsabe maina. (Tsy hoe natokana hoan'ny hazan-drano maina akory ity blog ity na dia efa resaka amalona maina aza no noresahana teo aloha. Kisendrasendra ihany izany.)  Bref, alona rano ny patsabe satria be sira izy ity. Asa raha mitovy ny tsirony raha patsabe lena no ampiasaina fa afaka soloina patsabe lena raha tsy mahita maina ianao. Tena tsara koa ny ravim-bomanga sy patsamena raha tsy tianao ny patsabe. Rehefa afaka tsara ny sira dia ariana ny rano. Tetehina ny tongolo sy voatabia dia mamana menaka kely ao anaty vilany. Arotsaka aloha ny tongolo be sy ny tongolo lay mba hamoaka tsara ny hanitra. Rehefa mifitsaka ny tongolo be dia arotsaka ny voatabia. Esory ny hodiny sy voany raha izay no mahazatra anao. Rehefa levona ny voatabia dia arotsaka ny patsabe. Aroroana mandra-paha mendimendy azy. Arotsaka farany ny ravim-bomanga dia asiana rano kely. Ho ahy manokana dia aleoko ketsaketsa ity laoka ity nefa raha ro mazava moa no tiana dia afaka atao betsaka manaraka izay ny rano. Rehefa mangotraka dia aroana tsara ary avela hitanika kely (5 na 10min eo ho eo) dia ampidinina. Tsy saromana ny vilany mba tsy ho masaka loatra ny ravim-bomanga. Tokony ho ampy ny sira na tsy manampy aza satria somary misimisy sira ihany ny patsabe. Nefa raha matsatso dia afaka ampiana kely. Vary maina fotsy no nohanina niaraka taminy. Handramo fa tena mora atao nefa mafilotra ery.



Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

4 commentaires:

  1. Hahhaha,tapatsianay za amin ilay tsy nataokana ho hazandrano maina ity blog ty.
    Io ravimbizo io raha hanina miaraka aminy varimaina mifasifasy,sy sakay maintso somary kely sira. Ndray ndray mantsiro.��
    Patsabe Lena sy ravimbizo tena tsy mivoka ny tsirony, lay sira ao lay patsabe nge tena mampatsiro lay patsabe. Anisany zavatra ray mba tiko,eny na singany iray ahalanina vary sotro maromaro,noho sira ao anatiny. Patsabe sy henakisoa ve mba tianareo??

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. varimaina mifasifasy io mihintsy no tena ahitana fafiny amin'izy io. ny vadiko tsy tia patsa be (na maina na lena) dia mihinandrery foana aho rehefa io ny laoka :/ patsa be sy henakisoa tena tiako fa patsabe lena kosa amin'izay fotoana izay.

      Supprimer
  2. Matsiro ery na vao mamaky ilay fomba fahandro azy aza.

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. tena nakafy mafy aho tamin'io andro io. Nihinan-drery anefa fa ny ato an-trano tsy mahazaka patsabe :/

      Supprimer