mardi 9 septembre 2014

Mamy ny vary gasy

Salama tompoko

Asa ianareo raha efa nahatsikaritra fa mamy ny vary gasy. Rehefa atao sosoa izy no heno fa mamy. Maro ny Malagasy no mihinana vary gasy atao sosoa amin'izao satria malemy izy raha oharina amin'ny vary hafa ary ilay ranony marihitra tsara. Tsy ratsy koa ny vary gasy atao maina. Ho ahy manokana dia sady mifono "sentiment" ny fihinana vary gasy satria vary avy any ambanivohitra izy ity. Rehefa alatsinainy iny dia tsaroan'ny vava ny hamamin'ny vary gasy. Laoka tsotsotra no atao mba ho valin'ny laoka ritra sy matsiro izay hanina matetika rehefa alahady. Izay no nahatonga ity laoka tsotra nefa matsiro ity.

Tamin'ity indray mitoraka ity ary dia ron'ovy sy kitoza nendasina no nilaofana ny vary gasy maina.

Ny zavatra ilaina:
  • Nofoken'omby
  • Ovy
  • Tongolo be
  • Voatabia
  • Sakamalao
  • Sira
  • Menaka kely

Ny fikarakarana ny kitoza

Mba hampalemy azy dia asiana sira mialoha ny nofoken'omby efa voatetika ka avela hilona ao anaty vata fampangatsiahana. Ny hariva no karakaraina hoan'ny laoka ampitso atoandro. Rehefa tonga ny ora hanendasana azy dia endasina tsotra amin'ny menaka kely izy dia vita.

Ny fikarakarana ny ron'ovy

Voasana ny ovy madio tsara dia tetehina araka izay itiavana azy. Afanaina anaty vilany ny menaka kely, alefa ao ny tongolo voatetika sy sakamalao somary nototoina mba hamoaka ny hanitra. Natao betsaka ny sakamalao satria izay no tian'ny ato an-trano fa afaka atao kelikely koa raha izay no mety aminao. Rehefa somary mahazo loko ny tongolo dia arotsaka ny voatabia kely. Aroana tsara ka rehefa levona ny voatabia dia arotsaka ny ovy. Asiana rano mandifotra azy dia avela ho masaka. Mora masaka ihany moa ny ovy.



Izay dia vita ity sakafo malagasy tsotsotra ity. Tena mampody aina tokoa ka tian'ny mpianakavy.

Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

3 commentaires:

  1. Tena tiako ny vary gasy, mamy mihitsy ary ny ahy aza matetika tsy asiako laoka fa tiako hohanina amin'izao. Dia ilazako zavatra nareo fa ny zanako dia vary gasy sosoa no tena ankafiziny, vao nahazo nihinana vary izy dia izay no nanazarako azy, ary tsy tiany koa io asiana laoka fa hohaniny amin'izao fotsiny, matsiro be hoy izy! Gasy ka mamy sy tsara e ;)

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. izaho izao lehibe izao vao tena maheno ny tsirony. tamin'ny adolantsento tena kamo hihinana vary mena fa te hihinana ilay fotsy foana mdr

      Supprimer
  2. Best Slot Machines - Mapyro
    Find a list 전주 출장마사지 of the best slot machines in 밀양 출장샵 Laughlin, NV and other Las Vegas 남원 출장안마 hotels with casinos 양주 출장마사지 in Laughlin, NV. Wynn Palace: Casino Hotel 대전광역 출장샵 & Spa.

    RépondreSupprimer