samedi 24 janvier 2015

Sakafo tian'ny ankizy: paty, hena baolina, lasaosy voatabia sy fromazy

Salama tompoko

Faly mirahaba antsika mpanaraka ity blog ity ary mirary soa hoan'ny taona 2015. Ataoko fa tsy tara loatra izany firariantsoa izany na dia efa mifarana sahady aza ity ny volana janoary.
Sakafo mora atao no entiko anio. Izaho moa manan-janaka ka matetika dia izay sakafo tian'izy ireo no atao mba hampazoto homana azy. Androany dia paty (spaghetti), henabaolina ary lasaosy voatabia nasiana fromazy no nataoko.


Ireo zavatra ilaina:

  • Paty
  • Toto-kena
  • Voatabia
  • Fromazy La vache qui rit 
  • Menaka
  • Dibera kely
  • Sira

Toy ny mahazatra moa dia tsy misy fatrany tsy maintsy arahina fa araka ny isan'ny olona hiaraka homana no hanaovana azy.

Ny fikarakarana azy:
  • Andrahoina toy ny mahazatra ny paty dia tsihifina anaty passoire sady ampandalovina rano mangatsiaka.
  • Asiana sira ny toto-kena dia volavolaina boribory.
  • Endasina ireo hena baolina. Ny fomba fanaovako azy dia asiako rano sy menaka kely ao anaty lapoaly dia alefa ao ireo hena baolina. Rehefa ritra ny rano dia manendy azy ny menaka. Amin'izay masaka tsara ny any anatiny any sady mendy sy menafify ny ety ivelany. Rehefa masaka dia esorina eo ambony afo.
  • Voasana ireo voatabia dia esorina ny voany ary tetehina madinika. Asiana menaka kely ao anaty lapoaly dia alefa ao ny voatabia. Avela ho mendy sady potserina amin'ny fourchette ka rehefa lasa lasaosy tsara dia asiana fromazy ka potserina amin'ny fourchette koa ity farany. Afangaro tsara dia asiana sira kely raha tsy tian'ny ankizy ilay tsiro somary mamin'ny voatabia.
  • Maka lapoaly hafa indray ka asiana dibera kely. Endasina kely ao ny paty. Arona tsara dia vita.



Vita sahady ny sakafotsika. Tsy afangaro izy rehefa aroso mba ho manjamanja ny sary hihi fa rehefa hihinana dia afangaro tsara daholo.


Misaotra anao namaky
Mazotoa homana tompoko