mardi 28 avril 2015

Ody am-bavafo: mofo laisoa tsotra sy haingana

Salama tompoko,

Faly aho fa tafeverina eto amin'ity sehatra iray mampitombo lanja ity. Efa elaela izay satria ny adidy aman'andraikitra betsaka nefa tsy manadino antsika rehetra tia sy manaraka ity blog ity sanatria. Ody am-bavafo, mety hanina amin'ny 10ora maraina na ilay amin'ny 4ora hariva iny indray no hozaraiko anio: mofo laisoa.

Raha ny faniriana dia toy ireny eny an-tsena ireny, sady tsara hendrika no matsiro dia matsiro no natao saingy mbola bado ny tenako amin'ny resaka lakozia ka zavatra tsotsotra ihany aloha no atao. Ny hendriny aloha tamin'ity indray mitoraka ity tsy dia lafatra fa ny tsiro no nakafizin'ny rehetra dia efa faly ny mpahandro.



Ny zavatra ilaina:
  • Laisoa
  • Lafarinina
  • Atody
  • Sira
  • Levure
  • Dipoavatra
  • Menaka
Ny fikarakarana azy:

Tetehina madinika ny laisoa dia sasàna tsara. Omanina ny pâte à beignet ka araka izay efa mahazatra anao anaovana azy. Izaho manokana tsy dia manisy fatra fa alefako anjambany. Ka ny atody no kapohiko voalohany ao anaty vilia jobo. Avy eo araraka ny lafarinina. Tsy atao be loatra fa atao izay mandon'ilay atody ihany. Afangaro dia ampiana rano kely mba hanome paty madity fa tsy miranoka loatra. Tsikaritro fa raha miranoka loatra ny paty dia mifoka menaka be ka maha monamonaina. Aroana tsara mba tsy hisy ilay mamatovato.

Rehefa izay dia asiana levure iray sotro kely, sira ary dipoavatra araka izay tiana. Afangaro tsara indray dia alefa ao ny laisoa voatetika. Afangaro tsara dia afaka endasina amin'ny menaka mafana. 


Misaotra anao namaky
Mazotoa homana tompoko

vendredi 27 mars 2015

Matsiro rehefa avy any ambanivohitra

Salama tompoko,

Mahagaga ahy fa tena tiako ny sakafo rehefa avy any ambanivohitra. Na sakafo fahita eto Antananarivo aza dia toa hafa foana ny tsirony. Izay angamba ilay hoe izay tiana mitombo tarehy. Faly be ary aho androany fa tonga vahiny avy any ambanivohitra ka nahazo voan-dalana maromaro. Ireto amin'ny sary ireto ihany no azoko sary ka tsy inona izany fa voatavo, voanjobory ary trondro. Ireo tondro lehibebe hono handrahoina dia ireo majinika hendasina. Efa ato am-bavako sahady ny tsirony.

Ankoatra ireo dia nitondrany ravim-boatavo koa, voatabia, akondro, katsaka efa masaka (katsaka amin'ny taolany sy solo-volo) ary menakely. Faly aho, tena faly hihihi Faly amin-kanina hoy ilay fiteny izay.

Ianareo koa ve mba manao toa ahy? Inona ny sakafo avy any ambanivohitra tena tinareo?


Misaotra anao namaky,
Mandra-piresaka tompoko

lundi 16 février 2015

Lasopy legioma sy silamangany

Salama Tompoko,

Ahatsiarovako fotoana mamy maro teo anivon'ny fianakaviako ny lasopy silamangany. Sakafon'ny ririnina izy ity. Rehefa mamirifiry ny hariva dia mivory ny mpianakavy fa hakafy ilay lasopy efa niketrika ela teo ambony fatana. Lasopy silamangany nampiarahina amin'ny legioma maromaro no resahako eto.Tsy dia misy fika manokana ny fandrahoana azy ity fa dia alefa araka izay tiana fotsiny.

Manimanina lasopy silamangany mafy aho vao haingana ka nikarakara na dia mafana be aza ny andro eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Nohanina hariva izy ity ka teo ihany ilay "ambiance" na tsy ririnina aza. Ao ny mihinana azy amizao, ao ny mihinana azy amin'ny vary, ao ny maka mofo dipaina kely. Samy manao izay tiany ary tsy misy bedy.

Ireo zavatra ilaina:
  • Silamangany (tongotr'omby)
  • Karaoty
  • Ovy
  • Korzety
  • Poireaux
  • Sira
Ireo no fampiasako fa mahazo namampy izay fangaro tiany ny rehetra.

Fikarakarana azy:

Sasàna madio ny silamangany. Matetika izy ity efa tetehin'ny mpivaro-kena vaventy ka ajanoko amizao ny tetika satria rehefa masaka izy miraraka fotsiny.

Diovina koa ny legioma rehetra ka tetehina vaventy.

Arotsaka anaty vilany izy rehetra dia asiana sira.

Mora malemy kokoa ny silamangany raha cocotte minute no handrahoana azy fa raha vilany tsotra moa dia miomàna fa elaela mihintsy vao malemy izy ity. Dia miady mafy ny saribao raha tsy te handany entona fandrehitra isika.

Rehafa masaka dia aroso mafana. Matsiro ery ny rony sy ilay taolam-pifika iny. Isika samy isika ihany ny eo an-dantabatra ka aza misalasala mandray ny taolana an-tanana e!



Mbola tsy tena malemy izy ity no nalaiko sary mba hivoaka tsara amin'ny sary ireo legioma fa rehefa masaka izy dia mirara-kopana, malemy tsara avokoa.

Misaotra anao namaky
Mazotoa homana Tompoko

samedi 24 janvier 2015

Sakafo tian'ny ankizy: paty, hena baolina, lasaosy voatabia sy fromazy

Salama tompoko

Faly mirahaba antsika mpanaraka ity blog ity ary mirary soa hoan'ny taona 2015. Ataoko fa tsy tara loatra izany firariantsoa izany na dia efa mifarana sahady aza ity ny volana janoary.
Sakafo mora atao no entiko anio. Izaho moa manan-janaka ka matetika dia izay sakafo tian'izy ireo no atao mba hampazoto homana azy. Androany dia paty (spaghetti), henabaolina ary lasaosy voatabia nasiana fromazy no nataoko.


Ireo zavatra ilaina:

  • Paty
  • Toto-kena
  • Voatabia
  • Fromazy La vache qui rit 
  • Menaka
  • Dibera kely
  • Sira

Toy ny mahazatra moa dia tsy misy fatrany tsy maintsy arahina fa araka ny isan'ny olona hiaraka homana no hanaovana azy.

Ny fikarakarana azy:
  • Andrahoina toy ny mahazatra ny paty dia tsihifina anaty passoire sady ampandalovina rano mangatsiaka.
  • Asiana sira ny toto-kena dia volavolaina boribory.
  • Endasina ireo hena baolina. Ny fomba fanaovako azy dia asiako rano sy menaka kely ao anaty lapoaly dia alefa ao ireo hena baolina. Rehefa ritra ny rano dia manendy azy ny menaka. Amin'izay masaka tsara ny any anatiny any sady mendy sy menafify ny ety ivelany. Rehefa masaka dia esorina eo ambony afo.
  • Voasana ireo voatabia dia esorina ny voany ary tetehina madinika. Asiana menaka kely ao anaty lapoaly dia alefa ao ny voatabia. Avela ho mendy sady potserina amin'ny fourchette ka rehefa lasa lasaosy tsara dia asiana fromazy ka potserina amin'ny fourchette koa ity farany. Afangaro tsara dia asiana sira kely raha tsy tian'ny ankizy ilay tsiro somary mamin'ny voatabia.
  • Maka lapoaly hafa indray ka asiana dibera kely. Endasina kely ao ny paty. Arona tsara dia vita.



Vita sahady ny sakafotsika. Tsy afangaro izy rehefa aroso mba ho manjamanja ny sary hihi fa rehefa hihinana dia afangaro tsara daholo.


Misaotra anao namaky
Mazotoa homana tompoko