vendredi 27 mars 2015

Matsiro rehefa avy any ambanivohitra

Salama tompoko,

Mahagaga ahy fa tena tiako ny sakafo rehefa avy any ambanivohitra. Na sakafo fahita eto Antananarivo aza dia toa hafa foana ny tsirony. Izay angamba ilay hoe izay tiana mitombo tarehy. Faly be ary aho androany fa tonga vahiny avy any ambanivohitra ka nahazo voan-dalana maromaro. Ireto amin'ny sary ireto ihany no azoko sary ka tsy inona izany fa voatavo, voanjobory ary trondro. Ireo tondro lehibebe hono handrahoina dia ireo majinika hendasina. Efa ato am-bavako sahady ny tsirony.

Ankoatra ireo dia nitondrany ravim-boatavo koa, voatabia, akondro, katsaka efa masaka (katsaka amin'ny taolany sy solo-volo) ary menakely. Faly aho, tena faly hihihi Faly amin-kanina hoy ilay fiteny izay.

Ianareo koa ve mba manao toa ahy? Inona ny sakafo avy any ambanivohitra tena tinareo?


Misaotra anao namaky,
Mandra-piresaka tompoko

2 commentaires:

  1. Voanjoboryyyyyyy! :D yeu, tsy haiko na hoe "sain" kokoa ny sakafo avy any ambanivohitra fa tsapa tokoa hoe mafilotra kokoa e!!!

    RépondreSupprimer
  2. ohatran'ilay hoe matsiro kokoa ny sakafo handrahoina amin'ny kitay. ny olona tia ambanivohitra sy manana souvenirs tany ambanivohitra tena mahatsapa an'ilay izy fa nisy vazaha izay nifona mihintsy fa tsy tantiny ilay fofona setroka amin'ny vary

    RépondreSupprimer