samedi 4 octobre 2014

Goûter#004: flan mora atao

Salama tompoko

Handrana voalohany ity tamin'ny fanaovana flan. Nitady ny fomba faran'ny tsotra tamin'ny internet satria izay angamba no mety hoan'ireo vao manomboka. Faly ery fa nety ity handrana voalohany ity. Ny hendriny aloha tsy tonga lafatra e fa ny tsirony no tena nahafapo.

Ny zavatra ilaina (hoana olona 6)
  • Atody 4
  • Siramamy 75gr
  • Lafarinina 100g
  • Dibera 40g
  • Ronono 1/2l.
Ny fikarakarana azy

Hafanaina ny lafaoro (200°C). Epoina anaty vilany ny dibera. Maka vilia jobo dia kapohana miaraka ao ny siramamy sy atody. Rehefa mitambatra tsara sady somary levona ny siramamy dia arotsaka ny dibera sy ny lafarinina. Arotsaka koa ny ronono dia afangaro tsara ireo rehetra ireo.Osorana dibera ny lasitra (moule) dia araraka ao ilay fangaro efa vita tetsy ambony. Alefa anaty lafaoro mandritra ny 45min. Afaka aroso rehefa tsy mamay be intsony.

Mafilotra izy ity raha ohanina eo no eo nefa azo tehirizina koa hoan'ny sakafo maraina na ny goûter entina mianatra ny ampitso.




Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

3 commentaires:

  1. Hafa ihany aky ny vita ao an-trano e! Matsiro

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. yé tena matsiro. ka nividy aho talohaloha teo dia ny endriny tsara be fa ilay izy heno be hoe rano no nampiasaina fa tsy ronono. Aleo atao ao an-trano na somary fisapisaka aza ny hendriny hihihi

      Supprimer
  2. KOA raha tsy manana four de inona no azo hasolo azy re tompk!

    RépondreSupprimer