Asa ianareo raha efa nahatsikaritra fa mamy ny vary gasy. Rehefa atao sosoa izy no heno fa mamy. Maro ny Malagasy no mihinana vary gasy atao sosoa amin'izao satria malemy izy raha oharina amin'ny vary hafa ary ilay ranony marihitra tsara. Tsy ratsy koa ny vary gasy atao maina. Ho ahy manokana dia sady mifono "sentiment" ny fihinana vary gasy satria vary avy any ambanivohitra izy ity. Rehefa alatsinainy iny dia tsaroan'ny vava ny hamamin'ny vary gasy. Laoka tsotsotra no atao mba ho valin'ny laoka ritra sy matsiro izay hanina matetika rehefa alahady. Izay no nahatonga ity laoka tsotra nefa matsiro ity.
Tamin'ity indray mitoraka ity ary dia ron'ovy sy kitoza nendasina no nilaofana ny vary gasy maina.
Ny zavatra ilaina:
- Nofoken'omby
- Ovy
- Tongolo be
- Voatabia
- Sakamalao
- Sira
- Menaka kely
Ny fikarakarana ny kitoza
Mba hampalemy azy dia asiana sira mialoha ny nofoken'omby efa voatetika ka avela hilona ao anaty vata fampangatsiahana. Ny hariva no karakaraina hoan'ny laoka ampitso atoandro. Rehefa tonga ny ora hanendasana azy dia endasina tsotra amin'ny menaka kely izy dia vita.
Ny fikarakarana ny ron'ovy
Voasana ny ovy madio tsara dia tetehina araka izay itiavana azy. Afanaina anaty vilany ny menaka kely, alefa ao ny tongolo voatetika sy sakamalao somary nototoina mba hamoaka ny hanitra. Natao betsaka ny sakamalao satria izay no tian'ny ato an-trano fa afaka atao kelikely koa raha izay no mety aminao. Rehefa somary mahazo loko ny tongolo dia arotsaka ny voatabia kely. Aroana tsara ka rehefa levona ny voatabia dia arotsaka ny ovy. Asiana rano mandifotra azy dia avela ho masaka. Mora masaka ihany moa ny ovy.
Izay dia vita ity sakafo malagasy tsotsotra ity. Tena mampody aina tokoa ka tian'ny mpianakavy.
Mazotoa homàna
Mandra-piresaka tompoko

